« Basta poco per fare tanto »

EN PARTENARIAT AVEC

Accueil
Le mot du Président
Tetezana Mada et Tetezana Onlus
Publié le jeudi 19 janvier 2023
« EPP TSIAFAHANA ILAKA CENTRE »

Visite de l‘EPP Tsiafahana, ZAP Ilaka Centre, CISCO Ambositra, DREN Amoron’i Mania au mois de juin 2022 par les premiers responsables de Tetezana Mada et Tetezana Onlus avec Zoky Suzelin, suivie au mois de novembre 2022 par celle des bénévoles italiens, accompagnés par Zoky #Suzelin et sa femme. L’EPP Tsiafahana du Fokontany Ankeniheny comptait 95 élèves pour l’année scolaire 2021/2022, répartis en 5 classes du CP au CM2.Pourtant, l’établissement ne dispose que de 2 salles de classe pour les CE1, CE2, CM1 et CM2. Pour le CP, les cours sont dispensés dans une petite salle se trouvant dans une propriété privée non loi de l’EPP,mise à disposition gratuitement par des tierces personnes bienveillantes. Le bâtiment scolaire se trouve actuellement dans un état de délabrement suite aux dégâts cycloniques. De plus, les différents mobiliers sont insuffisants et vétustes. Les élèves du CP n’ont même pas de table-banc, juste des petites banquettes à même le sol. La construction d’un nouveau bâtiment scolaire est la meilleure solution, puisqu’on est déjà en pleine année scolaire. Un projet à été ainsi monté à cet effet pour un nouveau bâtiment avec 2 salles de classe, toilettes et douche, et sera présenté pour recherche de financement en Italie. Puis, parallèlement le renouvellement des mobiliers pour lequel on fera appel à nos compatriotes et à la Diaspora. La réhabilitation de l’actuel bâtiment est aussi envisagée pour plus tard. Donnons un vrai sens à l’éducation pour tous, dans de meilleures conditions, pour de meilleurs résultats.

Eto indray dia tetikasa mahakasika ny EPP Tsiafahana, anatin’ny ZAP Ilaka Centre, CISCO Ambositra, DREN Amoron’i Mania no zaraina amintsika. Ny EPP Tsiafahana dia miorina ao amin'ny fokontany Ankeniheny, tanàna kely iray ao amin’ny Kaominina Ilaka Centre, Faritra Amoron’i Mania. Toa tany lavitr’andriana tokoa ve, fa raha ny zava-misy ita nandritra ny fitsidihana natao ifotony dia tena mila fanavaozana amin’ny lafiny manontolo ny EPP Tsiafahana. Ho an’ny taon-tsekoly 2021/2022 dia 95 no mpianatra eo anivon’ny sekoly amin’ireo kilasy 5 misy. Indrisy anefa fa efitrano 2 monja no ifandimbiasan’izy ireo. Ho an’ny kilasy CP moa dia efitrano kely mitokana tsy lavitra ny sekoly natolotry ny ankohonana tsara sitrapo iray no ampiasain’izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy manaraka ny fenitra takiana sy ilaina amin’ny maha-sekoly fianarana azy na ny fotodrafitrasa na ny fitaovana sy fanaka misy. Ankoatry ny tsy fahampiana sy ny fahanteran’ireo fitaovana sy fanaka, dia maro ny fahasimbana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza nisesisesy ny fiandohan’ny taona 2022. Ny volana jona 2022 no nanao fitsidihana voalohany teny an-toerana ny filohan’ny fikambanana Tetezana Mada sy Tetezana Onlus, narahan’ireo “bénévoles” italiana ny volana novambra 2022, ary niaraka hatrany tamin’i zoky #Suzelin izay efa mahalala tsara ny zava-misy ao an-toerana. Taorian’izany rehetra izany dia tapaka ny hevitra fa fanorenana fotodrafitrasa iray vaovao ahitana efitrano fianarana 2, toeram-pidiovana sy toeram-pivoahana no hitadiavana famatsiam-bola maika. Mbola malalaka rahateo ny tany misy ny faritry ny sekoly ka azo anaovana fanorenana vaovao tsara. Hodinihina miandalana aorian’izay kosa ny fampitaovana samihafa izay hitadiavana mpiara-miombon’antoka ihany koa, ary farany ny fanarenana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa efa misy ankehitriny, izay mbola tsy maintsy ampiasain’ny mpianatra isan’andro aloha hatreto. Ny fianarana no lova tsara indrindra, hoy isika Malagasy. Ndao ary mba samy hiezaka hanome lanja ity tontolon’ny fampianarana ity, araka izay mba azontsika atao.



2013-2022 | Lova