« Basta poco per fare tanto »

EN PARTENARIAT AVEC

Accueil
Le mot du Président
Tetezana Mada et Tetezana Onlus
Publié le dimanche 04 décembre 2022
« Tetezana Mada a 10 ans »

Que de la joie, que de la joie, que de la joie… et les mots sont faibles pour exprimer ce que nous avons ressenti au fond du cœur… Ce fut une belle journée pleine d’émotions, riche en partage et remplie de solidarité, lors de la visite de nos amis italiens Giovanni Tittoni, et membres de l’association Seniores Italia Lazio Odv, Sandro Orlandi et Rodolfo Cortellini à notre siège le dimanche 20 novembre 2022. Pour rappel, cela fait maintenant plusieurs années que nos amis italiens nous soutiennent à travers les collaborations comme le montage de nos projets pour demande de financement ; et les donations divers, pour ne citer que les tables et chaises offertes en 2020. Cette année encore, l'association Seniores Italia Lazio Odv n'a pas manqué de faire une donation en faveur des projets sociaux de Tetezana. Pour tout, nous leur disons merci, merci du fond du cœur. Pour notre part, nous nous efforçons et continuons toujours à faire le « pont » pour les projets sociaux que nos amis italiens réalisent à Madagascar. Nous tenons aussi à remercier spécialement zoky Emma RASOARIMALALA et sa famille qui nous ont été d’une grande aide dans l’organisation et la préparation du succulent déjeuner, avec l'aide des familles soutenues par nos projets. Zoky Emma s'est aussi chargée spécialement du bon gâteau pour marquer le 10 ème anniversaire de notre association TETEZANA MADA. Nous invitons ceux qui souhaitent faire appel au service traiteur de zoky Emma à lui écrire directement sur sa page @Emma Rasoarimalala, vous serez agréablement surpris et satisfaits. A tous, merci du fond du cœur !

Hafaliana, hafaliana, hafaliana, eny, niezaka nitady fa tsy nahita teny entina manambara ny ao am-po fa dia Hafaliana, hafaliana, hafaliana, eny, niezaka nitady fa tsy nahita teny entina manambara ny ao am-po fa dia tena hoe misaotra an’Andriamanitra ary misaotra ireo rehetra manohana sy manampy. Sombin-tsary nandritra ny fitsidihana nataon’ireo namana italiana Giovanni Tittonni, sy avy ao amin’ny association Seniores Italia Lazio Odv, Sandro Orlandi ary Rodolfo Cortellini, ny alahady 20 novambra 2022. Raha tsiahivina kely dia efa an-taonany maro izy ireo no niara-niasa sy nanohana hatrany ny Tetezana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fampitaovana tamin’ny alalan’ireo latabatra sy seza maromaro ny taona 2020, saingy tsy izany ihany fa tena manampy sy manohana amin’ny lafiny maro samihafa ihany koa izy ireo. Nomarihan’izy ireo tamin’ny fanolorana fanampiana hatrany moa izao fandalovan’izy ireo izao. Antitranterina etoana ny fisaorana mitafotafo azy ireo ary irariana hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sy ny fifanohanana. Ny Tetezana moa dia vonona hatrany manao ny “tetezana” araka ny anarany anatin’ireo tetikasa samihafa tanterahan’izy ireo eto Madagasikara. Isaorana manokana ihany koa i zoky Emma RASOARIMALALA, matihanina amin'ny sehatry ny fikarakarana sakafo, sy ireo ankohonany, izay tena andry niankinana, nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ara-bakiteny, satria dia izy ireo no nanolo-tànana sy nandray andraikitra tamin’ny fanomanana sy fikarakarana ny sakafo, nampian'ireo ankohonana tohanan'ny fikambanana. Zoky Emma ihany koa no nanao ny mofomamy nanamarihana manokana ny faha-10 taona nijoroan’ny TETEZANA MADA. Ho an’izay liana di entanina hifandray aminy ao amin’ny pejiny @Emma Rasoarimalala na afaka manoratra aminay ihany koa dia ampitaina fa hatreto aloha dia tena afa-po tanteraka hatrany izahay tamin’izay rehetra nataony ho an’ny Tetezana.



2013-2022 | Lova