« Basta poco per fare tanto »

EN PARTENARIAT AVEC

Accueil
Le mot du Président
Tetezana Mada et Tetezana Onlus
Publié le mardi 22 novembre 2022
« Ponte tra Italia e Madagascar »

TETEZANA encourage l’implication de toutes les parties prenantes, du fokonolona, passant par le Fokontany, la Commune, jusqu’au ministère, et ce, pour un meilleur résultat. Ainsi, lors de leur passage dans la grande ile en ce mois de novembre, la délégation italienne composée de Sandro ORLANDI, Rodolfo CORTELLINI et Giovanni TITONNI a rencontré le Ministre de l'Agriculture et de l'Elevage, Monsieur Harifidy Janset A. RAMILISON, à son bureau à Anosy. La rencontre a été organisée avec la précieuse collaboration de Monsieur RATOHIARIJAONA Suzelin, économiste de formation initiale et diplômé de l’Université de Paris I, Panthéon Sorbonne, France en management et évaluation de projets agricoles. En effet, Il a occupé plusieurs postes pendant 26 ans au sein du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage avant de prendre en 2015 le poste de Conseiller - Représentant Permanent Adjoint auprès des Organisations des Nations Unies basées à Rome (FAO, FIDA, PAM). A noter que mise à part l’éducation, les italiens réalisent aussi dans notre pays des projets dans le domaine de l’agriculture et de l’élevage. La rencontre a été riche en échanges, surtout concernant la culture alternative qui est devenu un « must » compte tenu des contextes actuels. Pour sa part, Monsieur le Ministre a donné son accord de principe pour une coopération mutuelle dans tout ce qui va être entrepris pour le développement du pays et des communautés vulnérables. Par ailleurs, la délégation a aussi eu une réunion avec la Direction Régionale de l’Agriculture et de l’Élevage de la Région Betsiboka, pour les projets réalisés par l’association italienne SENIORES ITALIA LAZIO dans la commune rurale d'Ambalanjanakomby, District de Maevatanana. La délégation a été reçue par la Directrice Régionale, Mme RAKOTOARIZAFY Mirana, le Chef de Service Agriculture, Mme VOAHANGINAMBININA Liliane, le technicien agricole M. TSIFERANTSOA Haja, ainsi que du technicien élevage, M. Mahery RAKOTONDRANDRIANA. Une fois de plus, Tetezana a servi de pont par le biais de sa présidente, Mme RAONIARIMANGA Minosoa. Nous profitons de l’occasion pour renouveler nos sincères remerciements à chacune des entités et personnes citées ci-dessus, pour leur aimable collaboration et dévouement.

Ankoatra ny lafiny fanabeazana dia sehatra roa andraisan’ny italiana anjara amin’ny alalan’ireo tetikasa samihafa tanterahiny eto Madagasikara ny fambolena sy fiompiana. Ny Tetezana moa dia mamporisika hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra, manomboka hatrany ifotony dia ny fokonolona, mandalo amin’ireo ambaratonga samihafa toy ny fokontany, kaominina, ary indrindra ny Ministera sy ny ratsamangaika eo aminy. Mba ahafahana miroso ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ary dia nisy ny dinidinika sy fihaonan’ireo delegasiona italiana Andriamatoa isany Sandro ORLANDI, Rodolfo CORTELLINI ary Giovanni TITONNI tamin’Andriamatoa Harifidy Janset A. RAMILISON, Minisitry ny fambolena sy fiompiana. Nanao tetezana toy ny mahazatra hatrany Rtoa RAONIARIMANGA Minosoa, filohan’ny Tetezana Mada, ary indrindra Atoa RATOHIARIJAONA Suzelin, ekonomista sady manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fambolena izay efa nitazona andraikitra samihafa teo anivon’ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana, ary solontena maharitry ny firenena mikambana teo anivon’ny PAM, FIDA ary FAO tao Roma nanomboka ny taona 2015. Nahaliana tanteraka ny resadresaka mahakasika ny “culture alternative” izay tsapa fa tsy azo ihodivirana intsony manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nampiseho ny fahavononana ary indrindra nanome tokony ny amin’izay fiaraha-miasa rehetra ho fampandrosoana ny firenena sy ireo Malagasy mpiray tanindrazana moa Andriamatoa Ministra, ary antitranterina etoana ny fisaorana sy fankasitrahana azy manokana tamin’ny fandraisana. Nandritra ireo fidinana ifotony kosa dia nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny Fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana ao amin’ny Faritra Betsiboka, ho an’ireo tetikasa iarahana amin’ny fikambanana italiana SENIORES ITALIA LAZIO ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalanjanakomby. Nanatrika izany moa ny Tale, Ramatoa RAKOTOARIZAFY Mirana, notronin’ireo teknisiana misahana ny fambolena, Ramatoa VOAHANGINAMBININA Liliane (Chef de Service) sy Andriamatoa TSIFERANTSOA Haja, ary koa ny teknisiana misahana ny fiompiana, Andriamatoa Mahery RAKOTONDRANDRIANA.



2013-2022 | Lova