« Basta poco per fare tanto »

EN PARTENARIAT AVEC

Accueil
Le mot du Président
Tetezana Mada et Tetezana Onlus
Publié le dimanche 04 décembre 2022
« Projets communautaires »

La remise des récompenses aux 7 participants ayant suivi jusqu’à la fin les cours d’initiation à l’informatique a été effectuée lors de la célébration des 10 ans de l'association TETEZANA MADA, marquée par le déjeuner organisé au siège de l’association le dimanche 20 novembre 2022, en présence de nos amis italiens. Un petit geste pour les encourager à toujours persévérer dans tous ceux qu’ils entreprennent afin d’atteindre leurs objectifs. Les récompenses de la part de Zidat Ahmed de Rome ont traversé le « tetezana » pour donner le sourire à Madagascar ... Alors, sincèrement, mille merci à #Ahmed. Nous profitons également de l’occasion pour exprimer notre gratitude aux quatre bénévoles de l’Université privée ESTI Antanimena dont Mirana, Naimah, Stevy et Santatra.

Nandritra ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny fikambanana TETEZANA MADA izay nomarihana tamin’ny fiaraha-misakafo ny alahady 20 novambra 2022 lasa teo no notanterahina ihany koa ny fanolorana valisoa samihafa ho an’ireo tanora nandray anjara tamin’ny tetikasa mahakasika ny fianarana informatika ka nahatojo hatramin’ny farany. Natao indrindra izao mba ho famporisihina azy ireo hilofo sy hiezaka hatrany amin’ny fianarana mba hahatraran’izy ireo ny tanjona iriany avy. Ny valisoa moa dia niainga avy any amin’i Zidat Ahmed ao Roma ary tonga soa aman-tsara teo am-pelatanan’ireto tanora ireto rehefa niampita tamin’ny "tetezana" ... Isaorana manokana araka izany i #Ahmed nanolotra ireo valisoa ireo. Antitranterina etoana ihany koa ny fisaorana sy fankasitrahana azy efatra mianadahy dia i Mirana, Naimah, Stevy ary Santatra, izay nizara sy nampita maimaim-poana sy tam-pitiavana ny traikefa sy fahalalana eo amin’ny tontolon’ny informatika. Eny, tsy voatery hoe rehefa manam-bola be na “mpanankarena” ihany vao afaka manampy ny hafa... Teto dia ny saran-dàlana sy sakafo no fandaniana ara-bola nataon’izy ireo, saingy tsy latsa-danja ary tena zava-dehibe ny fotoana, fahalalana, ary fitiavana nozarain’izy ireo.



2013-2022 | Lova